» Avy Amiko izao zavatra izao. «
Efa tafatsangana hiady amin’ ny Israely ny taranak’ i Joda. Voasakana tamin’ izany anefa izy noho ny tenin’ Andriamanitra hoe : » Aza mandeha hiady amin’ ny rahalahinareo, fa samia mody any an-tranony avy hianareo, fa avy Amiko izao zavatra izao. «
Sao naman’ ny taranak’ i Joda te-hiady amin’ ny rahalahinao hianao, ka efa akaiky hamely azy aza ? Kanjo nisy zava-nitranga tampoka nahasakana ny fikasanao. Dia taitra hianao, eny angamba sosotra aza.
Fantaro anefa fa avy amin’ Andriamanitra izao zavatra izao. Na dia tsy takatry ny sainao aza izany, dia manetre tena hianao ka maneke fa fitondrana avy amin’ Andriamanitra.
Tsy mba manao mosalahy Andriamanitra. Tsy misy sendrasendra ao Aminy, fa mitondra am-pahendrena sy am-pitiavana ny zavatra rehetra Izy. Ray Tsitoha Izy, ka tsy maintsy hahasoa izay rehetra Ataony. Raha te-ho zanany hianao, dia hahatsapa izany. Ka dia tokony hisaotra Azy noho ny fitondrana anao hianao sady hahafantatra fa avy Aminy ny zavatra rehetra.