» Fa amin’ ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’ Andriamanitra izahay, dia amin’ ny faharetana be, amin’ ny fahoriana, amin’ ny faharetana amin’ny fahantrana, amin’ ny kapoka, amin’ ny fatorana, amin’ ny tabataba, amin’ ny fisasarana, amin’ ny tsi-fahitan-tory, … , amin’ ny voninahitra sy ny fahafaham-baraka, amin’ ny laza ratsy sy ny laza soa … tahaka ny efa ho faty, nefa indro velona ihany.
Maro samy hafa ny zavatra voatonona amin’ ity, ary samy nihatra tamin’ i Paoly Apostoly. Isika kosa tsy mbola niharan’ ny fatotra sy ny kapoka, fa ireny zavatra sasany voalazany kosa dia mety ho efa tsapantsika ihany. Manao ahoana ary isika eo amin’ ny fitsapana ireo ? Ny ahazakantsika azy moa no ahafantarana antsika ho tena mpanompon’ Andriamanitra marina na tsia.
Moa mahari-po va isika ? Izay tena mpanompon’ Andriamanitra dia tsy mba mitaraina. Saina manao ahoana no ampisehoantsika amin’ ny androm-pahoriana feno fahasahiranana ? Moa mpanompon’ Andriamanitra mahay mifaly isika, na dia voan’ ny fisasarana mafy be aza ? Anjarantsika koa indraindray ny tsi-fahitan-tory. Moa tsaroantsika fa fotoana voatokana hanompoana ny Tompo kosa ny alina raha misy ilàny antsika amin’ izany ? Manao ahoana isika raha omen’ ny olona voninahitra, ary manao ahoana eo amin’ izay tsy anomezany antsika izany, fa fosain’ ny olona ? Moa mahay manetry tena ka vonon-kijaly isika na amin’ ny laza ratsy na amin’ ny laza soa ?
Izao no tenin’ i Paoly Apostoly : » Ary izany rehetra izany dia ataoko noho ny Filazantsara » ( 1 Kor.9.23 )