» Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano an’ ony no anirian’ ny fanahiko Anao Andriamanitra ô. «
Indro ny diera mangetaheta. Atrakany ny lohany. Mihanahana izy. Dia manimbolo rano. Mikiakiaka izy, midradradradra – mihazakazaka – miakiaka indray. Tsy mahita fitsaharana izy, ka tsy te-handry hiala sasatra. Manery azy handroso ihany ny hetahetany ambara-pahitany rano. Dia misotro izy.
Miverina anefa ny hetaheta, ka mikiakiaka indray ny diera eo am-pitadiavana rano an-ony.
Tahaka izany no anirian’ ny fanahiko an’ Andriamanitra. Tsy mahita fitsaharana izy. Tsy mahatamana intsony izao tontolo izao. Tsy mahafa-po ahy izay omeny. Maniry ny rano velona an-ony aho, ka teren’ ny hetaheta handroso hitady izay zavatra iray loha, dia Andriamanitra.
Tanteraka ny faniriana. Mahita Azy aho, ka misotro rano madio mangarangarana. Mahafa-ketaheta izany rano izany, ka azoko am-po tsara ilay tenin’ i Jesosy hoe : » Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa izy no hovokisana. »
Afa-ketaheta aho aloha, nefa miverina indray ny hetahetako, ary mbola tery am-po hanatona an’ Andriamanitra. Arakaraka izay isotroako ny rano velona no itomboan’ ny hetahetako, ka mahatonga ahy vao mainka hitady an’ Andriamanitra amin’ ny foko rehetra.
Eny, hisotro aho mandra-pahatongan’ ilay andro hahitako Azy araka izay tena Endriny tokoa. Ny hijereko ny Tavany mazava amin’ izany no tena hahafa-ketaheta ahy, ka tsy antsoantsoam-paniriana ihany no ho re, fa saotra sy hoby kosa.