Hebreo 7:25

« Velona mandrakizay hanao fifonana ho azy Izy. »

Velona. Misy fampiononana ho an’ny fanahy ireo teny roa ireo. Velona mandrakizay Izy. Ny hoe mandrakizay dia mampanan-kery tokoa ny teny hoe: velona ka tena mampifaly; nefa ahazoan’ny fanahy fampiononana tanteraka kokoa ny amakiako na andrenesako ny teny manontolo hoe: Velona mandrakizay hanao fifonana ho azy Izy.

Ny kendreny sy mameno ny fiainany any an-danitra dia ny manao fifonana ho ahy. Izy izay nanao fanavotana noho ny fahotako lehibe, dia manao fanatitra ho fanavotana ahy isaky ny misy fahotana ataoko. Tia ahy Izy, mahalala ahy, rahalahiko sy sakaizako, mahita ahy mandrakariva, miaraka amiko amim-pitiavana na andro na alina; mandroso eo anatrehan’Andriamanitra Izy mivavaka ho ahy.

Ary mbola mivavaka mandraka ankehitriny toy ny taloha Izy. Koa tsy hadinony na oviana na oviana aho, ka dia tsy irery. Misy anankiray mivavaka mandrakariva ho ahy. Izy io dia Zanak’Andriamanitra Lahitokana sady rahalahiko.

Laisser un commentaire