Apokalypsy 2:17

« Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin’ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra izay tsy fantatr’olona afa-tsy izay mandray azy ihany. »

Vantany vao tonga any an-danitra ny olona, dia omen’Andriamanitra anaram-baovao. Hianao koa hahazo raha tonga any. Mahafaoka izay rehetra tsaroany ny aminao izany anarana izany; izany hoe: Ilazany ny fitiavany anao. Eny, ilazany ny zava-tsoa vaovao rehetra izay idiranao. Fahasoavana manokana omen’Andriamanitra anao izany anaram-baovao izany. Tsy misy olona hafa mahalala izany anarana izany fa Andriamanitra sy hianao ihany no mahalala azy. Zava-miafina tsy ho fantatr’olona hafa ho anao mandrakizay mandrakizay izany.

Noho izany dia tena zava-dehibe ny androsoantsika amin’ny zava-panahy eto an-tany. Izay mandroso be na mitombo mandrakariva amin’ny zava-panahy dia hanana anarana be voninahitra araka izany ary ho sambatra indrindra. Nefa tsy misy kristiana izay tsy mandroso amin’ny faha-kristiana ka hahazo miditra ny lanitra.

Izay mandroso ihany no hiditra any; ary Andriamanitra dia manan-kozaraina amin’ny olona tsirairay tonga any an-danitra. Zava-miafina any an-danitra izany anaram-baovao izany. Ary matokia tokoa fa tsara dia tsara izany anarana izany. Ny olona rehetra mahazo azy dia samy mihevitra fa ny azy no tsara indrindra.

Laisser un commentaire