« Dia hiankohoka eo anoloan’izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana ny loholona efatra amby roapolo ka hivavaka amin’Izay velona mandrakizay, dia hanipy ny satro-boninahiny eo anoloan’ny seza fiandrianana ka hanao hoe: Hianao Tomponay sy Andriamanitray no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery. »
Raha tonga any an-danitra ny mino dia hampiankanjoina akanjo fotsy ary hosatrohana satro-boninahitra volamena. Amin’ny ijereny izany dia miharihary fatratra amin’ny halehiben’ny fahasoavan’Andriamanitra aminy sy ny fitiavany azy.
Ka dia miankohoka eo anatrehany izy sy mametraka ny satro-boninahitra eo anoloan’ny Tongony. Ho azony an-tsaina tokoa fa tsy miendrika homena izany satro-boninahitra izany izy; ary mazava tsara aminy fa maimaim-poana no amonjena azy. Miharihary aminy ny teny hoe: Andriamanitra dia fitiavana. Ka dia milaza hoe izy: Ny fototry ny ahavelomako dia noho ny fahasoavan’Andriamanitra ihany.
Noho izany dia napetrany teo anoloan’ny tongotr’Andriamanitra ny satro-boninahiny fa asan’Andriamanitra fa tsy azy. Andriamanitra no mendrika handray ny voninahitra fa tsy izy. Ny lohan’Andriamanitra no mendrika hosatrohana ny satro-boninahitra fa tsy ny azy.
Amin’izany dia raisin’Andriamanitra ny satro-boninahitra ka apetrany eo an-dohany, ary hoy Izy: Marina ny anao, ny fitiavako no ahazoanao famonjena toy izao, nefa aty an-danitra dia tsy misy afa-tsy ny fahasoavana ihany no manjaka. Dia raisin’ny mino amim-pihobiana ny valiha, ka mihira ny hiran’Andriamanitra sy ny an’ny Zanak’ondry izy.
Ary arakaraka ny andinihany ny hiran’ny Zanak’ondry no vao mainka ahitany ny Hatsarany.