Apokalypsy 4:6

« Ary teo anoloan’ny seza fiandrianana nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vato kristaly. »

Ny ranomasina fitaratra dia ilazana ny sain’Andriamanitra itondrany antsika olombelona. Rehefa tonga any an-danitra ny mino dia hahalala tanteraka ny hevitr’Andriamanitra nitondrany azy, fa mazava toy ny fitaratra vita tamin’ny vato kristaly izany, ary lalina tahaka ny ranomasina. Amin’izany dia feno fifaliana ny fony, ka mihoby sy mihira hoe:  » Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, mahitsy sy marina ny làlanao, ry Mpanjaka mandrakizay. Iza no tsy hatahotra: Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao. » Apok. 15.3

Tsy ho sasatry ny mandinika ny halalin’ny ranomasina fitaratra ny mino, izany hoe: Te-handinika mandrakariva ny halalin’ny fitiavan’Andriamanitra azy izy.

Laisser un commentaire