« Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo aho: fa handeha hamboatra fitoerana, ho anareo Aho. »
Tsy mbola tany an-danitra aho na oviana na oviana.
Tsy fantatro izay toetry ny tany any. Ny namakiako ny Baiboly no ahafantarako ny aminy. Sary no anehoana azy. Tsy misy olona na zovy na zovy, mahalala ny any araka izay izy marina; anefa na izany aza dia ataontsika hoe fonenantsika izy. Mahagaga tokoa fa amin’ny andro idirako any an-danitra, vantany vao manitsaka ny tokonan’ny vavahady aho, dia mazava tsara amiko fa fonenako izy, ka toy ny efa tao mandrakariva aho. Vaovao amiko ny zavatra rehetra hitako ao; nefa fantatro tsara sady malalako izy. Hatramin’ny andro voalohany ahatongavako any dia tsy mandre ny tenako ho vahiny ao aho, fa tompon-ponenana mihitsy kosa.
Perla ny vavahadin’ny lanitra, ary volamena ny lalàmbeny, ka amin’ny idirako io vavahady io sy amakiako ny lalàmbeny dia hoatry ny efa zavatra ahy taloha izy.
Raha atolotra ahy hotendreko ny valiha ka mitendry azy aho dia hoatry ny efa zatra ahy tsara ny tadiny; ary tahaka ny volamena izany tadiny izany. Amin’ny idirako any moa dia mihira ho fiarahabana ahy ny mponina ao, ary haiko izany hira izany. Tsy nisy nampianatra ahy anefa any fa efa nianarako teto an-tany izany.
Amin’ny idirako any an-danitra dia hitsena ahy ny anjely ary fantatro daholo izy tsirairay, indrindra fa ny anjely mpiaro ahy; mandray tànana azy aho ka misaotra azy.
Eny, fantatry ny any an-danitra aho, ary mazava amiko fa fonenako ny lanitra. Ny ahalalako izany indrindra dia ny idirako ao amin’ny efitrano honenako izay namboarin’i Jesosy ho ahy. Tena voatsapako tsara noho ny taloha fa ao an-tranoko aho.
Ary amin’izany dia ho ao amin’izay misy an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina aho, ka fahasambarana lehibe tokoa no azoko, satria tonga ao an-tranon’ny Raiko aho.