« Matoky aho… »
Mahagaga ny kristiana; matoky izy na inona na inona mihatra aminy; matoky izy fa tsy misy hanimbana azy na inona na inona. Na inona na inona mihatra aminy dia mahasoa azy ihany amin’ny farany.
Ny zava-tsarotra midona aminy dia mitarika azy hanatona bebe kokoa an’Andriamanitra, ka arakaraky ny anatonany an’Andriamanitra no itomboan’ny fahatokiany.
Raha maminy ny fipetrahana eo akaikin’Andriamanitra dia tsy misy hery afaka hampiala azy eo an-tànan’Andriamanitra. Tsy misy mahasaraka azy amin’ny fitiavan’Andriamanitra.
Matoky aho, hoy Paoly.
Moa mba matoky koa va hianao? Angamba misento hianao ka manao hoe: Raha mba izaho no manana fahatokiana tahaka izany. Nefa angamba tsy hanana izany aho na oviana na oviana.
Tsia, re ry mpihaino ô. Ho azonao ny toky, eny ho azonao hatry ny anio raha esorinao ao am-ponao ny fisalasalana ny voalazan’ny tenin’Andriamanitra.