« Fa matoky aho, fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny any ambony, na ny any ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika. »
Matoky aho, hoy Paoly, fa tsy misy mahay mampisaraka ahy amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy.
Inona no nampahatoky an’i Paoly? Ny antony dia satria natoky an’Andriamanitra izy, fa tsy ny tenany.
Tsy azo lavina fa sahirana ihany izy indraindray. Izy tenany no nitantara fa ny nofo manohitra ny fanahy ary ny fanahy manohitra ny nofo.
Tonga taminy namely azy ny irak’i satana. Nanana ady mafy izy ary nahalalany ny fahalemeny izany. Hitan’i Paoly tamin’ny tenany fa te-ho nanao ny tsara aza izy, dia izy izay mpanompon’ny Tompo efa ela, ka vonona handray ny satroboninahitry ny fahamarinana aza dia mahalala tena ho mpanota, eny niaiky ho anankiray amin’izay efa nahavita fahotana be indrindra.
Nefa natoky i Paoly satria efa nianatra nitoky tamin’Andriamanitra. Tsy nijery ny tenany izy fa ny famonjena vita ihany no nobanjininy. Tsy varian-kevitra amin’ny fahotana be vita koa izy fa niraikitra tamin’ny fahasoavana ny fony sy ny sainy ka dia natoky sy faly izy.