Romana 8:3

« Izay tsy hain’ny lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan’Andriamanitra tamin’Izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin’ny ota ka nanameloka ny ota teo amin’ny nofo. »

Odrey, fotoana fohy no lany amakiana izany; nefa lalina ny hevitra ao anatiny. Ny nofo no nahalemy ny lalàna. Nampiditra fahoriana amin’ny olombelona ny nofo. Naka ny endriky ny nofo ota ny Zanak’Andriamanitra. Tsy maintsy tonga nofo Izy hiady amin’ny nofo ota. Nandresy anefa Izy tamin’izany. Ny fandresena dia izao: Nanameloka ny ota tamin’ny nofo ota Izy.

Ka dia voaheloka ny ota. Torotoro ny heriny. Tonga mora ny sarotra. Mahazo mihoby izao ny fanahy feno fanahiana noho ny filazana hoe: Vitan’Andriamanitra.

Hianao sahiran-kevitra amin’ny hoe: Hataonao, hataonao. Nefa henoy izay lazain’ny Filazantsara: Vita, vita. Mahavariana anao fatratra koa ny hoe: Izaho, izaho. Nefa henoy izay lazain’ny Filazantsara: Izy, Izy. Inona àry no hataonao? Tsy misy hataonao. Mazava ho azy izany. Inona indray no hataonao rehefa vita ny zavatra tokony ho nataonao. Zavatra iray monja no hataonao dia izao: Misaotra. Ka aoka hisaotra an’Andriamanitra hianao fa voavonjy. Raha vita izany dia tsy misy hataonao intsony.

Tokony tsy ho sasatry ny mieritreritra izany isika, fa zava-dehibe amin’ny fiainantsika izany, ka rariny hitokiantsika na ao am-pahafatesana aza.

Nahoana re no tsy finaritra isika, raha vita ny zavatra rehetra? Izay tsy hain’ny olona, vitan’Andriamanitra. Isaorana anie Andriamanitra. Koa dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy.

Laisser un commentaire