« Ny faha-kristianinao dia fantatra amin’ny fahazotoanao mivavaka amin’ny mangingina.
Raha tsy nanandrana ny hatsaran’ny fivavahana ao amin’ny mangingina hianao dia tsy mahalala ny haren-tsaro-bidin’ny fiainana kristianina, satria amin’ny vavaka no ahatsapana izany indrindra. Ny hasoavan’ny vavaka dia izao arakaraka ny anandramanao ny hatsarany no itomboan’ny anaovanao azy. Ny fitempon’ny fon’ny olona salama dia ara-dalàna, ka raha mba ara-dalàna toy izany koa ny vavaka ataonao dia matanjaka ny faha-kristianinao. Amin’izany dia tsy fanompoana ny fivavahana (vavaka) fa vokatry ny fitiavana. Amin’ny fivavahana dia akaiky anao indrindra Izy izay malalanao.
Be ny enta-mavesatra miala tao an-tsoroky ny mpivavaka aorian’ny fotoana ivavahany. Hafaliana no misolo ny alahelo aorian’ny anaovana ny vavaka amin’ny mangingina. Ny fotoana rariny ho mamin’ny kristiana indrindra dia ny anatonany irery an’Andriamanitra.