« Dia Jakoba irery no sisa nitoetra tao. »
Nanatona irery an’Andriamanitra Jakoba, ka dia nahazo zava-tsoa tokoa. Vitsy ny kristiana manatona an’Andriamanitra toy izany, ary kilema lehibe izany. Tsy mba mamaky irery ny Baiboly; vavaka ataon’ny hafa ho azy no iveloman’ny fanahiny. Raha tsy hafanain’ny olon-kafa izy dia mihamangatsiaka ny fanahiny.
Henoy izao: Tsara ny mahazo fanampiana avy amin’ny hafa, nefa tsy rariny ny ho afa-po amin’izany. Raha tonga eo anatrehan’Andriamanitra hianao dia anontanio ny hoe: Inona no hitanao ao amin’ny Soratra Masina? Inona no voatsapanao amin’ny vavaka ataonao? Manatona mivantana an’Andriamanitra. Aza manao olona ho mpanalalana. Maro ny zavatra amin’izao tontolo izao mampitabataba ny sain’ny olombelona; eny amin’ny fotoana atokana hivavahana aza dia mivezivezy ny saina, mainka fa amin’ny fotoana anaovana ny asa an-davanandro.
Izany no tokony hahatonga antsika hitady fatratra ny fotoana mangina hivavahana dia ny fanatonantsika irery an’Andriamanitra. Raha vitsy ny fotoana mangina ivavahana dia mihaosa ny fiainana maha-kristiana.