Jaona 14:9

« Hoy i Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho ry Filipo? »

Manome tsiny an’i Filipo i Jesosy, satria kely ny fahalalany Azy. Mahafantatra an’i Jesosy ihany Filipo saingy fahalalana tsy ampy; ka dia hoy Jesosy aminy eto hoe: Efa ela izay no nitoerako teto aminareo, ry Filipo, ka mbola kely ihany ny fahalalanao Ahy; ka dia kely koa izany ny aim-baovao ao anatinao.

Mety ho toy izany koa no tenin’i Jesosy aminao.

Fotoana maro, taona betsaka, andro maro no efa nandraisanao fahasoavana Tamiko, Nandeferako taminao nefa kely no ahalalanao Ahy.

Ny olona mifanerasera matetika aminao dia fantatrao tsara tokoa. Manao ahoana ny fifaneraseranao amin’Andriamanitra.

Hevero ireto zavatra ireto:

Voalohany: Fantaro ny toeranao sao mivavaka amin’Andriamanitra tsy fantatrao hianao. Sao fomba fotsiny ny ivavahanao amin’Andriamanitra fa tsy tena ara-panahy tokoa.

Faharoa: Mangataha amin’Andriamanitra mba hanampiany anao hanananao firaisam-panahy bebe kokoa Aminy, ka hahatonga anao hianatra hahafantatra tsara an’i Jesosy dia hitombo be ny aim-baovao ao aminao.

Jaona 17.3

Laisser un commentaire