« ho antsika. »
Ho antsika. Milaza famonjena ho antsika ireo teny roa ireo. Ho antsika Kristy, hahatsara antsika, misolo antsika.
Hevero ange, fa lozantsika raha manohitra antsika Izy, fa tsy momba antsika. Raha tahiny manohitra antsika Izy, dia very isika.
Nefa ho antsika Izy. Maty nisolo antsika noho ny fitiavany antsika Izy na dia mbola fahavalony aza isika. Ary raha ho antsika Izy fony isika mbola fahavalony ka mainka rehefa nampihavanina Taminy.
Ho antsika Kristy. Tena mahafaly izany. Eo akaikiko Izy izay mahery indrindra. Mpiantoka ahy Izy, mpanampy ahy, mpisolovava ahy.
Zava-dehibe ny mahalala fa ao amintsika Kristy. Ao amin’ny Kristiana tsirairay Izy, ka izany no nahazoan’ny Kristiana fanamasinana. Nefa mety misy ny fotoana tsy ahatsapantsika ny asan’i Kristy ao amintsika.
Miovaova izany; nefa antsika mandrakariva Kristy na dia nahatsiaro na tsy mahatsiaro izany isika. tsy miankina amiko izany sady mafy orina, tsy mihozongozona ny fototry ny famonjena ahy, fa vokatry ny asan’i Kristy.
Raha Andriamanitra no momba antsika iza no hahatohitra antsika?