Matio 27 : 51

Ary indro ny efitra lamba tao amin’ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany. « 

Maso maro no nibanjina aman-tahotra hatry ny fahagola io efitra lamba io. Nihantona, nanampina, teo amin’ny fidirana avy ao amin’ny masina ho ao amin’ny masina indrindra ho ao amin’Andriamanitra izy io.

Marina fa niditra teo ny mpisoronabe ka nanao fanatitra hahazoan’ny olona fanavotana; tsy fanavotana tanteraka no azo avy amin’izany fa tonga indray ny fahotana ka indro fa ao ivelan’ny efitra lamba indray ny olona, tafasaraka amin’Andriamanitra, ka lavitra ny fahasoavana, dia tsy mbola voavotra tanteraka izy izany.

Nefa izao Jesosy Mpisoronabe lehibe dia niditra tao amin’ny masina indrindra nanao fanatitra ho fanavotana ny olona rehetra, ary fanavotana mandrakizay sy tanteraka izany. Dia nanatsotra ny tanany nidina Andriamanitra ka nandriatra ny efitra lamba hizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany. Dia tsy misy misakana intsony ny fidirana ho ao amin’ny masina indrindra; hanatonan’ny mpanota na iza na iza, an’Andriamanitra. Vita ny fanavotana. Mivoha ny làlana ka mahazo manatona ny olona rehetra, fa tsy mila olona intsony ho mpanelanelana. Raisin’Andriamanitra soa aman-tsara ny mpanota manatona Azy; mahazo miditra ao amin’ny masina indrindra izy, dia ao amin’Andriamanitra. Isaorana anie Andriamanitra fa mivoha ny làlana hanatona Azy.

Dia miditra aho.

Laisser un commentaire