« Ary ny miaramila anankiray nandefona ny Lanivoany, ary niaraka tamin’izay, dia nisy rà sy rano nandeha. »
Ny mahafaty ny olona homboana amin’ny hazo fijaliana dia fialan’ny rà. Mety maharitra ela vao maty ny homboana.
Fa ny nahafaty an’i Jesosy kosa dia tsy noho ny fialan’ny rà tamin’ny tenany ary izao no ahalalantsika izany: Raha nolefonin’ilay miaramila anankiray ny lanivoany, dia nisy rà sy rano nandeha, ka izany no porofo fa vaky ny fon’i Jesosy. Raha maty ny olona dia mandry ny rà, nefa raha vokatry ny fahavakian’ny fo ny fahafatesana dia miangona amin’ny manodidina ny fo ny rà, ka raha nolefonina Jesosy dia eo indrindra no nasian’ny miaramila lefona, dia nisy rà sy rano nandeha.
Hitantsika amin’izany ny halalin’ny fijalian’i Jesosy. Na ara-tena na ara-panahy dia loza mihitsy izay nahazo an’i Jesosy ka tsy zakan’ny fony ary izany no nahavaky azy. Vaky noho ny fijaliana. Vaky noho ny nahitany ny fahotan’ny olona rehetra. Vaky noho ny fitiavana. Tsy takatry ny saina izany nitiavany antsika izany. Ary mbola tsy miova mandrak’androany ny fitiavany. Na dia izaho aza dia tiany.
Misaotra indindra ry Tompo ô, noho ny fitiavanao anay.