« Ary niantso tamin’ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko. »
Vao izay no tapitra ny fijalian’i Jesosy ka faly amin’izany isika. Nanaraka Azy tamin’ny fijaliany isika ka dia nanandrana ny niara-nijaly Taminy. Ary izao dia rentsika ny fisentoany farany, dia mahita fialan-tsasatra Izy. Tokony ho mafy tokoa ny fahasasaran’i Jesosy. Tao anatin’ny ady lehibe tsy takatry ny saintsika ny fanahiny. Mafy indrindra tany Getsemane sy mandritra ny ora telo maizina tao Golgota. Ritra ny ainy noho ny kapoka sy ny nanomboana Azy tamin’ny hazo fijaliana. Be dia be ny rà niala Taminy. Nahamay noho ny tazo Izy sady nangirifiry noho ny hetaheta. Navesatra tahaka ny firaka ny lohany, nefa tsy nisy nametrahany Azy.
Nefa tapitra izao ny oram-pijaliany. Jesosy dia mandre fa misy tànana tsy hita maso mipetraka ao amin’ny handriny ary mamaoka ny tsemboka mangatsiaka sy ny rà. Dia niditra tsikelikely amin’ny fony ny fiadanana, satria ilay tànana reny dia ny tànan’ny Rainy.
Ary manafaka ny fanahiny tamin’ny fijalian’ny tenany Izy, ka afa-miala miaraka amin’izay ny fangirifiriana rehetra. Sasatra Izy, nefa natoky ka nandry tao an-tànan’ny Rainy, ary tsy misy intsony ny fijaliana sy ny ady rehetra.