Jaona 19:30

« Ary rehefa nanandrana ny vinaigitra Jesosy, dia nanao hoe: « Vita. »

Tanteraka ny vokatry ny fankahalan’ny olombelona.

Tapitra ny fijalian’i Jesosy. Vita ny asam-panavotana. Mihobia re, ry fanahiko. Ario ny tahotrao, aza kivy.

Fahotana ny fisalasalana rehetra. Zava-mahamenatra ny manahy. Jesosy niantso teo amin’ny hazo fijaliana hoe: « Vita » Izay tsy vitako dia vitan’i Jesosy. Misy fanavotana ho an’ny fahotako rehetra. Na dia tsy manana na inona na inona aza aho, dia manana ny zavatra rehetra, fa Jesosy efa nanome ahy ny famonjena. Tsy ao ambanin’ny lalàna intsony aho, satria Izy efa nanatanteraka ny lalàna nisolo ahy.

Tsy misy hampiana ny famonjena fa efa vita. Famonjena tanteraka na dia ho an’ny olona kely finoana aza. Fanavotana tsy misy tomika ho an’ny olona rehetra na dia ho an’izay tsy manana na inona na inona aza; rehefa manatona Azy noho ny fahoriana.

Vita. Dia tsy misy na inona na inona hataoko, satria efa vita ny zavatra rehetra tamin’ny Nisoloany ahy. Ny anjarako dia ny mandray sy misaotra. Dia ahy ny famonjena.

Laisser un commentaire