Jaona 19:28

« Ary rehefa afaka izany, dia fantatr’i Jesosy fa efa vita ny zavatra rehetra tamin’izay, mba hahatanteraka ny Soratra Masina, dia hoy Izy: « Mangetaheta Aho. »

Nangetaheta ny fanahin’i Jesosy. Nangetaheta fitiavana Izy. Nangetaheta fanahin’olona. Ny Tànany nahinjitra tamin’ny hazo fijaliana dia tahaka ny famporisihina an’izao tontolo izao hanatona Azy.

Nefa tsy izany hetaheta ara-panahy izany no nahazo an’i Jesosy raha Izy nanao hoe: Mangetaheta Aho, ny hetaheta ara-nofo no notondroiny tamin’izay. Tokony ho tamin’ny telo famantaranandro. Tamin’ny sivy no nanomboana Azy tamin’ny hazo fijaliana, ka ora enina izao no efa nihantonany tamin’ny hazo fijaliana. Ny fangirifiriana ara-nofo mafy indrindra tamin’ny fihomboana tamin’ny hazo fijaliana, dia ny hetaheta. Tahaka ny doran’ny afo ny tena manontolo. Noho ny nialan’ny rà tamin’ny tena no fototr’izany. Azon’ny tazo mafy ny voahombo amin’ny hazo fijaliana . Mandritry ny ora enina nandeha ny rà tamin’i Jesosy, koa dia niteny tamim-pangirifiriana Jesosy hoe: mangetaheta Aho.

Mandritry ny ora telo voalohany tamin’ny nihomboany tamin’ny hazo fijaliana, dia nisahirana nikarakara ireo manodidina Azy Jesosy dia ireo mpamono Azy, ireo jiolahy niara-nohomboana Taminy, reniny ary Jaona, ka izany no nahatonga Azy hanadino ny fangirifiriany. Tamin’ny ora telo manaraka kosa, raha maizina ny tany rehetra, dia ny fanaintainany am-panahy no lehibe Taminy, ka tonga tsy tsaroany ny ara-nofo. Nefa rehefa tonga indray ny mazava dia nitranga ny hetaheta sahala amin’ny afo mandoro, ka dia niantso Izy hoe: Mangetaheta Aho.

Ry Mpamonjy ô, misaotra Anao aho noho ny nijalianao. Izaho dia izaho no fototr’izany.

Laisser un commentaire