Matio 27:45

« Ary hatramin’ny ora fahenina ka hatramin’ny ora fahasivy dia maizina ny tany rehetra. »

Tamin’ny 12 famantaranandro, mitataovovonana indrindra ny masoandro, dia tonga nanarona an’i Golgota ny maizina. Niseho tao tokoa ny halozan’ny faharatsian’ny asan’ny maizina, ka na dia ny masoandro aza dia nandà tsy hanazava azy. Na dia misy ratsy vitan’ny olona aza eto an-tany dia tsy miafina amin’izany ny masoandro. Fa tamin’io fotoana io, ny faharatsian’ny helo sy ny fahotan’ny taranak’olombelona dia lehibe aoka izany ka tsy afaka nandroaka ny maizina ny fahazavan’ny masoandro.

Fianakaviana iray ny helo sy ny maizina. Mihoby any Golgota ny fankahalana, satria maty ny fahazavan’izao tontolo izao.

Ireo ora telo ireo dia filazana mialoha ny amin’ny maizina mandrakizay.

Famantarana navoakan’ny fanjakan’ny maizina izany tsy hamirapiratan’ny fahazavan’ny masoandro.

Tompo ô, ampio aho hankahala ny maizina ary ho tia ny mazava. Omeo fo manaiky hamono ny asan’ny maizina ao amiko aho. Aoka hohazavainao ny fiainako rehetra. Afaho amin’ny maizina mandrakizay aho hahazoako miditra ao Aminao ao an-danitra.

Laisser un commentaire