Jaona 19 : 26-27

« Ary nony hitan’i Jesosy ny reniny sy ilay mpianatra Tiany, nijanona teo, dia hoy Izy tamin-dreniny: Ravehivavy, indro ny zanakao. Ary hoy koa Izy tamin’ilay mpianatra: Indro ny reninao. »

Teo am-pototry ny hazofijalian’i Jesosy dia voatsindron’ny sabatry ny fijaliana ny fon’i Maria. Ny fanaintainana nahazo an’i Jesosy dia nanjo azy koa. Ny nandrenesany ny teny fanamavoana an’i Jesosy, dia noraisiny ho fanamavoana azy koa. Amin’ny Israely dia henatra makadiry tokoa ho an’ny vehivavy ny manana zanaka lahy homboana amin’ny hazofijaliana. Koa amin’izany dia saiky tsy misy renin-jaza tonga eo am-pototry ny hazo fijalian’ny zanany. Tsy isalasalana fa teo am-pototry ny hazo fijalian’ireo jiolahy roa ireo dia tsy tonga ny reniny.

Nefa tsy azon’i Maria natao ny tsy ho tonga teo. Ary nahita azy Jesosy. Tokony ho fampiononana lehibe ho an’i Jesosy ny nahitany an-dreniny teo, ka tiany ny ho nanana azy teo ambara-pahafatiny.

Nefa nony hitany fa reraka reniny, hoatry ny ho faty, dia hadinony ny tenany ka tsy tsaroany ny fanaintainana nahazo Azy, fa feno faniriana hikarakara an-dreniny Izy. Ilay mpianany malalany no tiany hisolo Azy hikarakara ny reniny. Dia niala teo niaraka tamin’izay izy mianaka. Dia hitan’i Jesosy reniny mivembena tantanan’i Jaona. Fa Jesosy kosa dia nihantona irery tao, ka vao mainka nahatsiaro fangirifiriana.

Hitantsika amin’ity fa na dia teo am-pialana aina aza Jesosy, dia nitahy sy nanamasina ny kofehim-pitiavana nampikambana ny olombelona ho iray, sady nanao teny ho fikarakarana sy fiarovana ho an’ny renin-jaza.

Laisser un commentaire