« Ary nony tokony ho tamin’ny ora fahasivy, dia niantso tamin’ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: « Ely, Ely, lamà sabaktany », izany hoe: Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao. »
Naharitra ora telo ny maizina. Tsy misy mahalala izay tao am-pon’i Jesosy tamin’ireo ora telo ireo.
Ny maizina nanarona an’i Golgota sady nitatra tamin’ny tany rehetra dia niditra tao am-pon’i Jesosy koa. Niaraka tamin’ny maizina ny herin’ny ratsy rehetra, ary tsy misy nisakana azy hamely ny fanahin’ny Mpamonjy.
Lehibe loatra ny fahamaizinana ka hoatry ny nampisaraka an’i Jesosy tamin’ny Rainy. Voatsapany ny loza vokatry ny fahotana ary hitany ny ao anatin’ny maizina mandrakizay. Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao? hoy Izy.
Hoatry ny lasa ny fitokisan’i Jesosy ny Rainy, hatrany hatrany taloha dia tafaraikitra tamin-dRainy, na dia tany Getsemane aza, dia lasa kosa izany amin’izao. Tsy sahy hiantso an’Andriamanitra ho Ray Izy, ka hoy Izy: Andriamanitra ô. Ary Andriamanitra aza heveriny ho lavitra ka mahatonga Azy hanao hoe: » Nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao. »
Odrey, fatratra izany fijalian’i Jesosy izany. Iza no mahatakatra ny halalin’izany? Izy Izay Zanak’Andriamanitra dia nahatsiaro nilaozan’Andriamanitra. Fijaliana ny mahatsiaro nilaozan’Andriamanitra. Fijaliana mahatsiravina izany.
Ary izaho no niaretany izany.