Lioka 23 : 39

« Ary ny anankiray tamin’ireo olon-dratsy nahantona teo dia niteny ratsy Azy. »

Samy hafa ny fiafaran’ny fiainan’ireo jiolahy roa ireo na dia nitovy aza ny teotrany taloha. Teo am-bavahaon’ny fahafatesana dia nisaraka ny làlany. Ny anankiray nankany amin’ny fahaverezana mandrakizay, ny anankiray nandroso nankany Paradisa.

Azon’i Jesosy natao ny namonjy ilay very na dia teo am-pialana aina aza izy ka nety ho fahatelo amin’izay sambatra niditra tao Paradisa tamin’io andro io. Nefa tsy nohararaotiny ny fotoana. tsy nety hovonjena izy. Dia lany ny fotoana azo amonjena azy. Tena akaikin’ny famonjena izy nefa very ihany. Teo anatrehany ny fahafatesana nefa mafy fo ihany izy. Nahantona teo anilany ny Mpamonjy, nefa tsy voavonjy ihany izy. Nanarin’ilay namany izy nefa tsy nety nino anatra.

Matin-kanoanana ny fanahiny, nefa teo akaikiny ny mofon’aina. Matin-ketaheta ny fanahiny, nefa teo amoron’ny loharanom-pamonjena. Nandalo ny varavaran’ny Paradisa izy, nefa niantoraka any amin’ny hatsam-pahaverezana mandrakizay. Na dia lehibe aza ny famonjena natrehiny, na dia tsy hita faritra aza ny fitiavana naseho taminy dia very ihany izy.

Tompo ô, vonjeo sy arovy aho mba tsy ho naman’ilay jiolahy very.

Laisser un commentaire