Lioka 22:41

« Ary Izy nihataka taminy tokony ho indray mitora-bato.» 

Tokony ho indray mitora-bato hoy ity teny ity.

Indray mitora-bato no elanelan’I Jesosy sy ireo mpianatra malalany. Ao an-daniny Jesosy mandohalika miady mafy dia mafy, nijaly fatratra ka tsy misy teny azo ilazana azy. Fa ery andaniny kosa ny mpianany no mipetraka ka natory tamim-piadanana hoatry ny tsy hisy manjo. Efa nangataka azy hiambina Jesosy. Maniry ny mpianatra hiaraka ory aminy Izy, kanefa izay hitany dia toetra tsy miraika, haketrahana, hasasarana.

Ny mpianatra tsy nahalala izay zava-dehibe hihatra. Noho ny hasasarany dia tsy hitany ny fanaintainana tao amin’ny tarehin’I Jesosy. Natory fatratra izy ka na dia ny fitarainana mafy (Heb.5.7) nataon’I Jesosy aza dia tsy reny.

Mahagaga izany raha tonga ao an-tsaina ny hoe: Mpianatra malalany ireo.

Amin’ny hita maso dia indray mitora-bato ihany no elanelan’I Jesosy sy ny mpianany. Mifanakaiky tokoa izany. Kanefa na dia izany aza dia tena nifanalavitra izy, eny mihoatra lavitra noho ny indray mitora-bato.

Amin’ny hita mason’olombelona dia akaiky Azy aho. Ny tenin’Andriamanitra sy ny zava-panahy rehetra, dia eo anoloako mandrakariva. Nefa manao ahoana ny foko? Moa tsy lavitra Azy matetika mihoatra noho ny indray mitora-bato va Izy?

O, ry Tompo, fohazy aho raha miady sy mijaly Hianao.

Laisser un commentaire