Salamo 1.3-4

« Ny olona misaintsaina ny làlan’Andriamanitra andro aman’alina dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona, izay mamoa amin’ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo, ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa. Fa tsy mba toy izany ny ratsy fanahy fa toy ny akofa aelin’ny rivotra izy » Salamo 1.3-4

Fahasamihafana manao ahoana moa ny an’ny hazo maniry sy ny akofa ; toy izany ny zanak’Andriamanitra sy ny zanak’izao tontolo izao. Manana faka ny hazo, ka avy amin’izany no itsetsefany ny haniny ka ahazoany hery.

Tafalentika lalina ao amin’ny tany izy ary tsy miongotra amin’ny herin’ny tafiodrivotra mafy. Mijoro tsara izy ka miandrandra ny masoandro sy ny lanitra.

Mamoa amin’ny fotoana izy ; ahazoana soa sy fifaliana noho ny ananana azy. Tahaka izany ny kristiana izay manana ny tenin’Andriamanitra tafaraikitra ao am-pony. Fa ny tsy manaiky an’Andriamanitra dia mitovy amin’ny akofa. Tsy misy vidiny ka tsy mahasoa ny olombelona . Tsy manana faka ka tsy misy ahazoany hery na sakafo. Satria tsy manana aina ny akofa, noho izany dia entin’ny rivotra izy na dia ny rivotra malemy indrindra aza. Ary amin’ny tafio-drivotra dia tena tsy hita izay alehany, ka dia tsy hita intsony izy.

Ry Andriamanitra o, mba ampitovio amin’ny hazo maniry aho fa tsy amin’ny akofa. 

Laisser un commentaire