« Iza no lehilahy matahotra an’Andriamanitra ? Izy no hampianariny izay làlana tokony hofidiany » Salamo 25.12
Mahery tokoa ny finoana ka ahazoana izay irina. Amin’ny fanjakan’Andriamanitra dia tena làlana ny hoe : tongava aminareo araka ny finoanareo. Mampihetsika ny herin’Andriamanitra Tsitoha ny finoana.
Tsy mamorona zavatra ny finoana, fa ny tanan’Andriamanitra no manao izany, fa izay ataon’Andriamanitra dia ho tonga aminao izay iriana. Ny mahery finoana tsy midera tena, sady tsy mahalala ny tenany ho mahery finoana. Tsy miankina amin’ny tenany ny mahery finoana fa miankina amin’i Jesosy irery.
Ny toetry ny finoana dia mibanjina an’i Jesosy, ary izany fibanjinana an’i Jesosy izany no itomboany, ka mahatonga azy ho mahery. Ka dia ho lasa ny ratsy rehetra, ary ho tonga amintsika izay araka ny finoantsika.