« Ary sedra nisy mpisorona anankiray nidina tamin’izany làlana izany, ary raha nahita an-dralehilahy izy dia nandalo azy » Lioka 10.31
Mahamenatra ity hoy isika raha mamaky azy. Pastora ve ? Manantena asa soa avy amin’ny pastora mandrakariva ny olona, kanefa indrisy fa hafa noho izay anampoizana azy no mitranga amin’ny pastora sasany, dia araka izay voalazan’i Jesosy amin’ity teny ity. Nefa tsy ny pastora ihany no voan’ity fa ny kristianina sasany koa. Azo atao hoe koa : Misy kristiana tonga tao, ka nandalo fotsiny.
amin’ny làlana alehantsika dia mahita matetika olona nasian’ny jiolahy isika, izany hoe, olona nitady fanampiana avy amintsika. Nefa isika dia maika hamonjy raharaha ka lasa midodododo ihany tsy mahita azy akory. Matetika anefa dia mahita azy tsara, fa mandalo ampangatsiam-po. Haintsika manko ny hamorona fialantsiny, kanefa zava-poana izany. Ny tena antony dia mazava, fa izao : Tsy manana fitiavana isika.
Mbola mandroso amin’ny làlanao hianao ka moa vonona hijerijery na hitoditodika ao am-pandehanana. Moa ho vonona hijanonoana sy hanampy ve raha misy mitady izany ? Tsy isasalana fa hifanena amin’ny olona mitady fanampiana avy aminao hianao. Ka hianao hiharan’ny tena hoe : nisy kristiana tonga tao ka nandalo fotsiny ?