« Tongava aminareo araky ny finoanareo » Matio 9.29
Tsy mba mora akory ny mitsangana eo an-tsampan-dalana ka tsy mahalala ny làlana hombana. Ny mifidy làlana diso dia mety mahatonga fijaliana tsy nampoizina ary manary fotoana maro foana.
Fa izay matahotra an’i Jehovah dia tsy ho diso làlana oviana oviana, satria Jehovah hanoro azy ny lalana marina. Raha matahotra an’i Jehovah ny olona dia mitandrina sao diso fifidy, sady tsy maika fa mahay miandry ny fotoan’Jehovah. Tsy sahy mifidy izay alohan’ny ahalalany mazava fa ny ratsatanan’Andriamanitra manondro izay lalan-kalehany. Ary izay miandry an’Jehovah dia tsy havelany ho ao anatin’ny fisalasalana.
Zava-dehibe amin’Andriamanitra ny tsy mahadiso làlana ny zanany satria tia azy Izy ary hanisy soa azy no hany kendreny.
Indraindray anefa dia miandry fotoana hanomezana baiko . Andriamanitra satria tiany ny mampieritreritra mafy aloha ny zanany sao ny lalan’ny tenany no tiany fa tsy ny làlan’Andriamanitra.