« Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy »
Matetika dia misy fisentoana ao am-pontsika hoe: Hataoko ahoana no hahatonga ny hevitro ho madio. Sarotra moa ny mamolaka ny hevitsika olombelona. Na dia tsy minia aza isika dia mandeha amin’izay tsy tokony halehany ihany ny hevitsika.
Fa amin’io andininy io (Filip.4.7) dia hitantsika fa misy hery hanampy antsika hamolaka ny hevitsika, dia ny hoe: Ny fiadanan’Andriamanitra no hiaro ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.
Ny fiadanan’Andriamanitra. Lehibe sy mahery ny fiadanan’Andriamanitra ary azo tsapain-tànana; mahatonga ny olona mandray azy ho manan-karena ny amin’Andriamanitra izy, ka tsy mihevaheva fanahy; ny heviny sy ny fony dia voaaro ao amin’i Kristy.
Hery ny fiadanan’Andriamanitra. Ny tsy fiadanan’ny fo no mahatonga ny hevitra sy ny fiainana ho tsy miadana. Izay mahantra ny amin’Andriamanitra dia mitady hahazoany harena mandrakariva etsy sy ery. Fa ny fiadanan’Andriamanitra dia narovana, manodidina ny fo sy ny hevitra, satria mihoatra noho ny fahalalana rehetra Izy.