« Jehovah no fahazavako. »
Ry Jehovah ô, aza avela ho ao amin’ny maizina ny fanahiko. Aza manaisotra ny fahazavanao amiko.
Sady mangatsiaka no maizina izao tontolo izao. Maro amin’ireo zavatra nanazava ahy ka nahafinaritra ahy no efa nesorinao, ka raha hesorinao koa ny fahazavana anazavanao ahy, dia hitoetra ao amin’ny alina maizina aho. Mahatahotra ahy ny fahotako. Izay tsy fantatro eo alohako dia mampangovitra ahy. Raha handeha ho ao amin’ny maizina aho, dia ho diso làlana, ka hianjera any amin’ny hantsana no hiafarako. Ry Jehovah ô, aoka hirehitra ny jironao. Ary hamaly ny vavaka Jehovah hoe : Aza matahotra, ny Zanako miady. Ario ny famoizam-po ka miandrandrà, dia hahita Azy hianao. Ho fahazavanao Aho. Ny nanesorako, ireo zava-mahafinaritra anao ireo, dia noho hianao tafaraikitra taminy be loatra. Aleo manana Ahy ho fahazavana anankiray monja, nefa lehibe, toy izay manana fahazavana maro madinidinika izay ho faty. Amin’ny fahazavako no ahitanao ny mazava. Aza mibanjina ny maizina. Izaho ihany banjinina. Raha izany dia hazava hatrany hatrany ny làlanao ambara-pahatonganao amin’ny fahazavana tanteraka.