» Tamin’ ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako, dia tsy nisy nomba ahy, fa nandalo ahy avokoa izy rehetra. ( Aza mba isaina ho helony anie izany ). Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy. «
Entina hiditra ao amin’ ny trano fitsarana i Paoly. Mpifatotra izy. Mijery izay rehetra tafavory ao izy, ka maniry ny hahita havana, na dia anankiray monja aza, izay hitsangana eo anilany. Mangetaheta fitiavana izy, ka mitady namana. Foana nefa ny fitadiavany izany. Nandao azy ny olona rehetra. Manjary mangatsiaka ny trano fitsarana. Mahatsiaro ho irery i Paoly.
Dia nivavaka i Paoly manao hoe : » Ry Tompo ô, aoka tsy hisaina ho helony izao ! Mamelà azy !
Amin’ izany dia misy hery mahagaga miboiboika ao aminy, ka tsaroany momba azy sy mitsangana eo anilany ny Tompo. Nahazo mpisolovava hiaro sy hampahery azy izy, dia tena sakaiza tsy handao azy na oviana na oviana.
Tsy misy fotoana aniriantsika havana aman-tsakaiza hiaraka amintsika toy ny fotoana sarotra. Raha misy havanao fantatrao fa azom-pahasahiranana izao, dia anehoy fitiavana haingana. Aza miandry ny ampitso, fa anio ihany ! Fa raha ny tenanao kosa no sahirana, dia aza omen-tsiny ireo havanao mandao anao. Fa mivavaha ho azy mba hamelan’ Andriamanitra ny helony. Ary fantatrao fa mitsangana eo anilanao Andriamanitra. Tsy handao anao Izy na oviana na oviana. Tsy irery hianao.