Eksodosy 12:13

 » Ary ny ra dia ho famantarana ho anareo eo amin’ ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny ra Aho, dia handalo anareo. « 

Izay nampiavaka ny Zanak’ Israeky tamin’ ireo Egyptiana tamin’ ny alina nahatsiravina iny dia ny ran’ ny zanak’ ondry. Tsy hafa izay mampiavaka ny olon’ Andriamanitra sy ny olon’ izao tontolo izao ankehitriny koa, fa ny ran’ ny zanak’ ondry ihany. Tsy ny fiheverana samy hafa momba ny fivavahana na ny fisehosehoan’ ny toe-piaina no mampiavaka azy, fa ny ran’ i Jesosy.

Ny ra ihany no mahavonjy. Hita tamin’ ny alina tany Egypta iny izany. Ny nidiran’ ny fahafatesana sy ny fandringanana izay varavarana voahosotry ny ran’ ny zanak’ ondrin’ ny Paska.

Angamba nitebiteby ihany ny fon’ ny zanak’ Israely sasany tamin’ izay, fa sao hiditra ao an-tranony ilay anjely mpamono. Tsy misy tokony hatahorany anefa raha tao am-baravarana ilay ra. Na inona na inona no toe-pony, na nihoby izy, na nangovitra izy, dia tsy nampaninona ny ra ihany no nahavonjy azy.

Amin’ ny fotoana rehetra sy amin’ ny olon’ Andriamanitra rehetra dia manan-kery izao teny izao:  » Raha mahita ny ra Aho, dia handalo anareo. « 

Laisser un commentaire