» Finoana no naneken’ i Abrahama rehefa nantsoina hiainga hankany amin’ izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany « .
Tsy fantatr’ i Abrahama izay halehany. Nefa nandeha ihany izy. Satria izao: Zavatra nasain’ Andriamanitra ataony. Finoana izany ! Ary ny finoana dia fankatoavana.
Fankatoavana tsy manontany » nahoana » ny finoana. Izany no nanateran’ i Abrahama ny zanany lahy hatao fanatitra. Fankatoavana tsy manontany » hanao ahoana » ny finoana. Izany no ninoan’ i Abrahama ny teny fampanantenan’ Andriamanitra fa hanana anaka izy. Fankatoavana tsy manontany » ho aiza » ny finoana. Izany no niaingan’ i Abrahama, nefa tsy fantany izay halehany.
Na dia tsy takatry ny saina aza izay ataon’ Andriamanitra, dia mankato Azy ihany izay mino Azy. Eny, mino izy, na dia tsy hitany aza ny làlana, ary na dia tsy fantany aza izay fikasan’ Andriamanitra aminy. Matoky tanteraka an’ Andriamanitra ny mino Azy ka mametraka eo am-pelan-Tànany ny fiainany rehetra.
Ny finoana dia fanolorona ny anjara andraikitra ho eo amin’ Andriamanitra. Ny anjaran’ ny mino kosa dia ny hanaiky sy hametraka amin’ Anrdiamanitra ny fanendrena ny làlany.
Ry Tompo ô, ampianaro ilay fankatoavana Vokatry ny finoana marina Anao aho.