2 Korintiana 11:28

 » Afa-tsy ireo zavatra ivelany, dia mbola misy koa izay mahazo ahy isan’ andro dia ny fiahiana ny fiangonana rehetra. « 

Avy nanonona zavatra marobe nahazo azy teo amin’ ilay asany maro sampana i Paoly Apostoly, tahaka ny hoe ; fandehanana saiky nahitan-doza, fisasarana maro samy hafa, tsi-fahitana tory, hanoanana sy hatsiaka mbamin’ ny zavatra maro hafa koa. Afa-tsy izany dia nisy koa izay  » nahazo azy isan-andro « , dia asa mihoatra noho izay rariny hataony ary izay saiky tsy zakany, toy ireo nahalany ritra ny faharipony sy ny faharetany. Ary rehefa lany ny andro nanasatra be, dia indro mbola nisy asa nitranga ilàna azy. Na dia nisy be tafahoatra aza izany, dia tsy mba nitaraina i Paoly. Ny hanompo namana no nanendrena azy, eny,  » vonona haidina ho fanatitra aidina aza aho « , hoy izy, ary izao koa no nataony hoe :  » efa tonga zavatra rehetra aho amin’ ny olona rehetra mba hanompo ny sasany na iza na iza « .

Ilay asa tafahoatra no ahafantarana ny toe-pon’ ny mpiasan’ Andriamanitra ka hampiseho ny maha-mpanompo azy. Ilay maily faharoa no tena mavesa-danja sy zava-dehibe ( Mat. 5.41). Ireo asa vokatry ny fitiavana izay manaraka ny asa vokatry ny adidy no tena ambony sy saro-bidy eo imason’ Andriamanitra.

Amin’ izay ahavitanao ny asa tafahoatra ivelan’ ny tena asanao hianao vao azo atao hoe : Mpanompon’ Andriamanitra.

Laisser un commentaire