» Ary izay rehetra nipetraka teo amin’ny Synedriona, raha nandinika an’ i Stefana, dia nahita ny tarehiny tahaka ny tarehin’ Anjely. «
Tokony ho nampahatezitra sy ho nampangirifiry an’ i Stefana mafy ireo fiampangana tsy marina sy ny faharatsiana bevava nolazaina ho nataony, indrindra satria ny olona efa nasiany soa sy fitiavana be no nanjary mpanenjika azy.
Na dia izany aza, dia tsy mba tezitra izy. Fa raha nijery azy izay rehetra nipetraka teo amin’ ny Synedriona, dia hitany fa namirapiratra sy mirana ery izy. Toy ny fahazavan’ ny lanitra ny tarehiny sady feno fitiavana sy fiadanana ka tsy ho azon’ ny faharatsiana atao ny hamono azy. Arakaraka izay nisehoan’ ny endrik’ ilay ratsy teo amin’ ny tarehin’ ireo mpanohitra no nisehoan’ ny endriky Jesosy teo amin’ ny tarehin’ ilay mpanompony mahatoky.
Eo amin’ izay ijaliantsika amin’ ny tsy rariny, ka ataon’ ny olona tsinontsinona sy taimboraka sy eo amin’ ny anesoany sy androahany antsika, no ihariharian’ izay ao am-pontsika. Ny fanoherana mafy indrindra mbamin’ ny fanesoana maro dia tsy hahay hamono ny famirapiratana feno fiadanam-po sy fitiavana ananan’ ny tena zanak’ Andriamanitra.