Hebreo 2:11

 » Koa izany no tsy mahamenatra Azy hanao ireo hoe  » rahalahy. « 

Tokony ho nahamenatra tokoa ny ho rahalahin’ ny olombelona, fa olona nifanditra, nifamono, nifandainga, nanjakan’ ny fitiavan-tena sy ny fijejojejoana, mpankahala an’ Andriamanitra, eny, nisy aza nitsinkasina tamin’ izay ratsy rehetra toy ny biby. Na dia taranaka mpanota tahaka izany aza ny olona, dia tsy nahamenatra an’ i Jesosy ny hanao azy ireo hoe  » iraitampo  » Aminy.

Zavatra notadiaviny mihitsy aza ny ho iray amin’ ny olona, ny ho rahalahiny sy anabaviny. An-tsitrapo no nidinany taty an-tany, ka nofoanany ny tenany tamin’ ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ ny olona. Vonona ho nifankatia taminy sy ho niara-nijaly taminy Izy. Ny fahadisoana nataon’ ny olona dia Noraisiny ho Helony noho ny Firaisany tanteraka taminy.

Fitiavana mahagaga izany ! Ry Zokiko malala ô, misaotra Anao aho fa raisinao ho zandrinao. Tsy ahoanao ny henatra, fa miombona amiko Hianao. Mahalala ahy Hianao, tia ahy Hianao, miara-mijaly amiko Hianao. Eo anilako mandrakariva Hianao, ka miaro ahy. Safidinao ny hitovy amiko noho ny fitiavanao lehibe sy mahagaga, sady tsy mahamenatra Anao ny hanao hoe  » rahalahy  » na  » anabavy. « 

Laisser un commentaire