» Ary izany dia toy ny fahazavan’ ny maraina, raha miposaka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy rahona iny. «
Mazàna dia saronan’ ny maizina ny fiainan’ olombelona. Ny fizahan-toetra, ny fanahiana, ny fanindronan’ ny fieritreretana dia sahala amin’ ny alina maizim-pito iraparapan’ ny fanala eo am-pitadiavana ny mazava.
Tahaka ny rahona manafina ny masoandro ny fahotana sy ny fanahiana. Indraindray dia matevina be ireny rahona ireny ka saiky tsaroana ho maizina toy ny alim-be ny andro.
Ry havako malala izay ao anatin’ ny maizina ankehitriny, henoy izao Hain’ i Jesosy soloana ho andro mazava izany alina izany. » Ary izany dia toy ny fahazavan’ ny maraina raha miposaka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy rahona iny. » Mandevona ny fahotanao tahaka ny fandevona ny rahona Izy. Kristy no jereo, dia hiposahan’ ny mazava avy amin’ ny avo hianao. Na dia amin’ izay maha-maizina ny alina indrindra aza dia hainy ny hampiposaka ny masoandro. Ankasitrahan’ Andriamanitra izay ao amin’ i Kristy, eny manana ny zavatra rehetra ilainao hianao raha miaraka amin’ i Kristy, ka tsy maintsy handositra ny fanahiana sy ny tahotra ary ny fahotana.
Mivoha ny lanitra. Mamirapiratra ny fahazavana. Tsy misy rahona iny maraina iny.