» Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satroboninahitra fiainana. «
Fijaliana ny fakam-panahy. Tsaroan’ ny alaim-panahy fa akaiky azy mihitsy ny devoly mbamin’ izay fofon’ aina ratsy avy amin’ ny helo. Tsy fahotana anefa ny fakam-panahy, koa mety hatao hoe sambatra ihany ny alaim-panahy. Tsy mba lavitra azy mantsy Andriamanitra, na dia akaiky aza i satana. Ao amin’ ilay fotoan’ ny fakam-panahy indrindra no anomezan’ Andriamanitra hery be dia be. Ary ho mpandresy ny alaim-panahy raha mandray izany hery izany.
Ry havana malala alaim-panahy ô, mamely anao mafy tokoa i satana, kanefa aza kivy, aza mamoy fo ! Tena akaiky anao Andriamanitra na dia tsy tsaroanao aza izany. Ny fijaliana lehibe indrindra ho an’ ny alaim-panahy, dia ny fahatsiarovana an’ Andriamanitra ho lavitra azy. Eo anilanao anefa Izy. Ary sambatra hianao, raha maharitra fakam-panahy. Fizahan-toetra tsy maintsy ho zakanao io. Fa rehefa voazaha toetra hianao, dia hahazo valisoa. Ary tsy kely izany, fa satroboninahitra fiainana. Fahasambarana tokoa re izany !