» Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany. «
Asio fiambenana tsara ny eritreritrao am-po, fa marika ilazana ny fiainanao manontolo ny eritreritrao.
Raha ratsy ny eritreritrao, dia tonga ratsy koa ny tenanao. Raha maloto ny eritreritrao, dia taitra ny fanirian-dratsy ka miafara amin’ ny asa ratsy hianao. Raha feno tsy fitiavana ny eritreritrao, dia hay afenina ihany izany aloha, ka mety hihatsaravelatsihy hampiseho fitiavana mandritry ny fotoana sasantsasany hianao. Farany anefa dia tsy maintsy hiseho miharihary ilay sainao ratsy.
Hitan’ Andriamanitra sy fantany ny eritreritrao rehetra ka tsy mba eritreritra fotsiny izany Aminy, fa tena zavatra tokoa.
Raha te-hahafantatra marina ny tenanao hianao, dia diniho ny eritreritrao. Raha te-ho mpandresy am-panahy hianao, dia miadia amin’ ireo eritreritrao miafina aloha.
Ny asa ratsy rehetra eran’ izao tontolo izao hatramin’ ny asa mahatsiravina mandatsa-drà aza dia tao amin’ ny eritreritra ratsy no niandohany. Fa ny asa tsara kosa dia vokatry ny saina sy fo efa nohamasinina ho an’ ny Tompo.