Hebreo 1:7

 » Ary ny anjely dia ilazany hoe:  » Izy manao … ny mpanompony ho lelafo « .

Tsy ny anjely ihany no tian’ Andriamanitra hatao lelafo fa ny mpanompony rehetra, dia ny olona koa.

Tsy maintsy hirehitra ny mpanompon’ Andriamanitra. Tsy ho tahaka ny afo amin’ ny sary hoso-doko anefa izy, fa na dia vita tsara ka sahala amin’ ny tena afo aza ilay sary, dia tsy misy hafanana azo avy amin’ izany afo izany. Tsy maintsy hirehitra tahaka ny lelafo velona ny mpanompon’ Anrdriamanitra, dia afo mampahazava sy mampahafana izay azon’ ireo mijaly noho ny hatsiaka sy ny fahantrana hatonina.

Ny afo hampirehitra antsika dia ny Fanahy Masina. Ny afo sisa rehetra dia << afo tsy izy >> (Levitikosy 10:1). Ny Fanahy Masina no ilay afo tena mandevona tariteraka izay ampirehetiny. Koa ny mpanompon’ Andriamanitra izay mamela an’ Andriamanitra hanao azy ho lelafo, dia manolotra ny tenany holevonina. Hirehitra ho levona izay an’ ny tena rehetra, toy ny fitadiavana voninahitra, fitiavana harena; fandokafan-tena, fanafintohinana, fahasosorana, faniriana ho zavatra, fahazotoana ara-nofo, fahalainana, fanaranam-po, fitenenan-dratsy, fahavetavetana. Ho fanampin’ izany dia haharitra aina azy koa ny firehetany masina ny amin’ ny fikarakarany am-pitiavany ny namany. Toy ny lelafo mirehitra ny mpanompon’ Andriamanitra, ka sady mampahazava no mampahafana. Nefa mihalevona izy, mihalany mandra-pahafaty.

Ry Tompo ô, omeo fanahy mazoto hirehitra ho Anao aho, ka ampireheto ho lelafo velona ho voninahitrao !

Laisser un commentaire