2 Samoela 22:36

 » Ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy. « 

Mety hampanetry tena sy hahakely antsika indraindray ny fahamoram-panahy asehon’ ny olona antsika, indrindra raha mifangaro fandeferana sy famindram-po noho ny tsi-fahaizantsika sy ny tsi-fahavitantsika. Eny, mety hampangirifiry ny fo mihitsy ny handray izany fahamoram-panahy izany, na sarotra aza ny ho tia ilay mora fanahy. Ny fiavonavonantsika no anton’ izany.

Fa  » ny fahamoram-panahin’ Andriamanitra kosa no mahalehibe ahy « . Voninahitra ho ahy izany midaboka ao amin’ ny vovoka milelaka ny faladian’ ny Tompo, ary fahasambaran’ ny lanitra izany mahita Azy hiondrika amiko hanao teny mora amiko. Eny ! voninahitra tapitr’ ohatra ho an’ ny olona ny fahasoavana maimaimpoana omen’ Andriamanitra.

Tsy miendrika hotsinjovin’ Andriamanitra toy izany ny mpanota, na dia amin’ ny indray mipi-maso aza. Fa noho ny Fitiavany mahagaga dia miondrika amintsika Andriamanitra ka manangana antsika hiala amin’ ny vovoka andriantsika. Aza mihevi-tena ho lehibe àry hianao fandrao tsy hahay handray ny fahasoavan’ Andriamanitra ka tsy ho afaka amin’ ny maha-zanaky ny vovoka anao na oviana na oviana. Mifalia kosa noho ny Netezany hiondrika aminao, hanangana anao ho eo an-tratrany.

Eny, ry Tompo ô, inty aho. Manantena sy miandry ny fahamoram-panahinao aho fa mahalehibe ahy izany. Tsy miendrika hahazo na inona na inona aho. Kanjo famonjena sy voninahitra ho ahy ny Fiondrehanao hanangana ahy. Hianao no isaorako mandrakizay !

Laisser un commentaire