Nomery 31:23

 » Ny zavatra rehetra izay maharitra afo, dia ataovy ao amin’ ny afo, dia hadio. « 

Tsy dia maharitra afo ny zavatra rehetra. Ny zavatra rehetra sasany dia levon’ ny afo, fa ny sasany indray dia dioviny. Ny iafaran’ ilay voalohany dia lavenona, fa ny tavela avy amin’ ilay faharoa kosa dia metaly voadio.

Torak’ izany koa ny olombelona. Ny sasany dia tena levonin’ ny afom-pahoriana, fa ny sasany kosa dia tonga madio sy mahery nony avy ao.

Ny olon’ Andriamanitra anefa dia ambenany. Fantany izay maharitra afo, ary fantany koa izay haharetan’ ny olona tsirairay. Ry kristiana malala ô, aza matahotra sao ho levon’ ny afom-pahoriana sy ny fizahan-toetra hianao, ka hanjary levona. Fa matoa avelan’ Andriamanitra iharan’ ny afo hianao, dia satria fantany fa maharitra afo. Ary eo am-pirehetan’ ny afo dia miambina Izy. Ary raha vita ny fanadiovana na hitany ny tsi-faharetanao azy intsony, dia esoriny eo hianao. Dia miandry kely Izy vao manohy ny fanadiovana indray. Koa atolory Azy tanteraka ny fitondrana ny tenanao. Fantany izay ilainao sy izay zakanao.

Maninona moa raha voadoron’ ny afo ho lavenona ny maloto nefa mbola eo ihany ilay volamena voadio !

Laisser un commentaire