Lioka 7:37-38

 » Ary indro nisy vehivavy mpanota tao an-tanàna, ka rehefa fantany fa Jesosy nipetraka nihinana teo an-tranon’ ilay Fariseo, dia nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra izy, ary nijanona teo ivohony tanilan’ ny tongony ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin’ ny ranomasony sy namoaka izany tamin’ ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin’ ny menaka manitra. « 

Nahafaly an’ i Jesosy fatratra izany nataon’ i Maria izany. Efa nipetraka naharitraritra teo Izy ka nahatsiaro alahelo noho ny tsy nampisehoan’ ny olona fitiavana Azy. Araka ny teny nataony tamin’ i Simona taoriana kely, dia hita fa voadininy tsara izay natao sy izay tsy natao taminy hatramin’ ny nidirany tao an-trano. Tsy nomena rano hanasana tongotra Izy, tsy nohosorana diloilo ny lohany, tsy nisy nanoroka Azy araka ny fomba fiarahabana. Izay rehetra natao ho Azy kosa dia natao tamim-pangatsiaham-po, fa tsy tamim-pitiavana. Tsy nisy, na dia kely aza, ilay fihoaram-pitiavana vokatry ny fo tena tia tokoa.

Hafa dia hafa anefa ny an-dravehivavy, ka nahafaly indrindra an’ i Jesosy. Nampahafana ny fony teo amin’ ilay efitrano mangatsiaka izany. Ny ranomasony, ny volony, fanorohany, ny fitiavany, ny fanoloran-tenany, ny hanitra tsara ny diloilo, ny fahoriana, ny fahantrany, izany rehetra izany dia tahaka ny tànan’ ny ray mitsotra handray ny zanany, ka nampangoraka fatratra ny fon’ i Jesosy. Ny maha-mpanota an’ i Maria sy nitadiavany famonjena no vao mainka nampangoraka an’i Jesosy.

Misaotra anao aho, ry Tompo ô, satria toetrao mandrak’ androany izany ! Maminao ny fitomanian’ ny mpanota, ka izany no ahasahiako hanatona Anao. Afaka amin’ ny fangatsiahana sy ny tsy firehana aho, ka omeo hery hanolorako tena ho Anao amin’ ny hafanam-po sy amim-pitiavana lehibe.

Laisser un commentaire