» Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiasan’ ny herin’ Ilay miasa ato anatiko. »
Mikely aina sy miezaka fatratra aho, hoy ny Apostoly Paoly eto. Saiky ny olona rehetra dia azo ilazana izany. Lany andro sy hery amin’ ny asa mavesatra ny maro. Tafahoatra aza indraindray ny asa ka sady mandreraka no mahasorisorena.
Eto anefa Paoly milaza asa omban-kery. » Mikely aina miezaka fatratra araka ny fiasan’ ny herin’ Ilay miasa mahery ato anatiko aho « , hoy izy.
Ary isaorana anie Andriamanitra, fa mbola eo mandrak’ androany izany hery izany. Ka dia tsy ny herin’ ny tenako intsony no ilaina hiankinan’ ny asa aman-draharahako , fa mety hiova ho mora sy mahafinaritra aza ny asa nahasorisorena teo. Hampianarin’ ny Tompo ny fifaliana vokatry ny asa aho, ka izany no ahazoako hery vaovao, araka ny fiasan’ ny herin’ Andriamanitra miasa mahery ato anatiko.
Izao ihany no hataoko : Ny fahalemeko sy ny tsi-fahavitako zavatra dia hatolotro an’ Andriamanitra. Hatolotro Azy koa ny fahasasarako sy ny tsi-faharisihako, ny fahazarako rehetra tsy mahasoa sy ny fihazakazahako maha-osa, ny ahiahiko sy ny ditrako.
Eny, ry Tompo ô, esory amiko izany tsi-fahombiazako rehetra izany, ka omeo hery aho hikely aina sy hiezaka araka ny fiasan’ ny herinao miasa ato anatiko. Omeo izany aho anio tontolo andro, eny amin’ ny androko rehetra.