2 Timoty 4:6-8

 » Nitahiry ny finoana aho, hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana.  »

Fahasambarana re izany ny an’ ny Apostoly Paoly ! Hanao veloma ny fiainana aty an-tany izy, ary amim-pihobiana ihany no anaovany izany. Na ilay andro fiaingana, na ny andro lasa, na ny ho avy dia samy amirapiratan’ ny fitahiana sy ny fiadanana avy amin’ ny Tompo.

Efa hatolotra sahady izy. Ny hany sisa andrasany dia ny fiantsoam-pialana. Antomotra ny fotoana.

Raha mitodika ny andro lasa izy, dia ady be no hita. Efa nanao vy very ny ainy mandrakariva izy, eny nihatra tamin’ ny ainy ka saiky nahafaty azy aza ilay ady matetika. Tena tsy nahalala fiaina-miadana teto an-tany izy, fa sahiran-dava. Hadino anefa izao ny fisasarana rehetra, ny hany tsaroany dia izao : ady tsara no niadiany. Na dia mafy aza ny fihazakazahana, dia vita izao. Dingan-tongotra iray monja no sisa dia tratrany ny zavatra nokendrena. Mihevaheva eo anoloany ny valisoa, dia ny satro-boninahitry ny fahamarinana. Hatolotr’ Andriamanitra azy io ka ho raisiny am-pifaliana be.

Eny, sambatra tokoa i Paoly ! Ry Tompo ô, manampia ahy mba hahaizako hiaina akaiky Anao tahaka an’ i Paoly. Mba omeo hery koa aho hahatanterahako ny fihazakazahako.

Laisser un commentaire