» Koa mainka sitrako ny hirehareha amin’ ny fahalemeko, mba hitoeran’ ny herin’ i Kristy amiko … Fa ny fahalemeko no fahatanjahako. «
Teny tsy mifanandrify mihitsy ny hoe : fireharehana sy fahalemena. Tsy mba voninahitry ny lehilahy ny fahalemena, fa toetra manambara fefy tsy azo ihoarana, fahosana, tsy fahaizana, tsy fahavitana. Koa tsy firy ny olona mahay mifaly raha atao hoe malemy. Ny miteny momba ny fahalemen’ ny tenany dia hain’ ny sasany ihany, indrindra raha ara-panahy no heverina, fa raha anaovan’ ny hafa teny tahaka izany izy, dia tsy manaiky mihitsy. Te-ho lehibe ny olona ka izany no tsy anekeny ny fahalemeny. Nefa io indrindra no mampahalemy azy.
Izay manaiky tsotra sy marina ny fahalemeny, sy ny mahatsinotsinona azy no mahazo ny herin’ i Kristy.
Mihevi-tena ho mahavita hianao, ka izany no tsy ahavitanao. Mihevi-tena ho lehibe hianao, ka izany no mahakely anao. Ny hanaiky ny tenanao ho malemy no hahazoanao hery, fa ny fahalemenao no fahatanjahanao.