Romana 8:1

 » Ary amin’ izany dia tsy misy fanamelohana ho an’ izay ao amin’ i Kristy Jesosy. « 

Zava-mahatsiravina ny mahatsiaro tena ho voaheloka. Koa mampangirifiry indrindra ny teny feno fisentoana hoe :  » Indrisy olo-mahantra aho, iza no hanafaka ahy amin’ ny tenan’ ity fahafatesana ity ?  » Rom. 7.24. Mifono fahoriam-panahy sy fanebahan-tena, famoizam-po sy fahaverezan-tsaina izany fisentoana izany.  » Indrisy olo-mahantra aho ! Voaheloka aho !

Fa izao kosa : Manambara fihobiana sy fahasambarana indrindra ny teny hoe : Tsy misy fanamelohana ho an’ izay ao amin’ i Kristy Jesosy. Miova faingana ho fihobiana ilay fisentoana teo. Teny roa samy hafa izay tsy misy fitoviana na fampiraisana akory, fa mifanohitra aza, kanefa milaza fahasambarana mahafinaritra indrindra. Tena tsy takatry ny saina Izy ity. Hevero ange : olo-mahantra sy voaheloka aho, kanefa tsy misy fanamelohana.

Miery ao amin’ i Kristy aho. Mpanavotra sy mpisolo ahy Izy. Mandalo ny sofiny ihany izay feo rehetra milaza fanamelohana. Eo anatrehany dia tsy maintsy hangina ny fiampangana rehetra. Noho izany dia mandala ahy koa ny teny fanamelohana. Tsy maintsy hangina koa ny mpiampanga ahy, satria miery ao amin’ i Jesosy aho. Miray Aminy aho. Voasoratra hoe :  » Tsy misy fanamelohana ho an’ izay ao amin’ i Kristy.  » Afaka aho. Voavonjy aho. Satria izao: Ao amin’ i Kristy aho.

Laisser un commentaire