Isaia 30:15

 » Fa izao no Lazain’ ny Tompo, dia Jehovah ny Iray Masin’ Israely : Amin’ ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo. Amin’ ny fanginana sy ny fahatokiana no hisian’ ny herinareo. « 

Ahazoana hery ny fanginana. Fahalemena kosa no vokatry ny fahamaikana sy fidodododoana.

Raha hery no irinao, dia ny ho mangina no tsy maintsy hianaranao. Ho lany foana ilay hery kely sisa anananao aza raha mbola hotohizanao izao fihazakazahana mandrakariva izao. Amin’ ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anao sy ny hahazoanao hery. Ahazoana hery be ny fanginana be.

Ho mpandresy lalandava ny olona feno fahatokiana an’ Andriamanitra. Finoana ny fahatokiana. Ary  » ny finoantsika no fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao  » 1 Jao.5.4.

Tsy hay sarahina ny fanginana sy ny fahatokiana. Ao amin’ ny fanginana no aharetan’ ny fahatokiana. Izay mahalan-kangina no kely fahatokiana. Ao amin’ ny fanginana no fihaonana amin’ i Jesosy. Ny be herehina sy maro ahina kosa dia mazana manadino Azy, ka fahatokiana ny tenany no hiafarany. Izay mitady fanginana koa, dia hahavatra hatoky an’ Andriamanitra. Ary izay matoky an’ Andriamanitra dia mahery.

Ry kristiana mihazakaza-dava ô, miverena ka mitsahara, fa amin’ ny fanginana sy ny fahatokiana no hisian’ ny herinareo.

Laisser un commentaire