» … ny Rain’ ny fanazavana Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin’ ny fihodinana. «
Miovaova ny sain’ olombelona. Vetivety dia tezitra izy, ary vetivety indray dia mora fanahy. Vetivety dia reraka ary vetivety matanjaka. Mbetika izy mitomany, mbetika mihomehy. Mahatsiaro fangirifiriana izy indray andro, andro hafa indray dia finaritra. Mankahala anio, dia feno fitiavana kosa rahampitso. Isika rehetra, tsy misy tsy miovaova tahaka izany. Samy mivadibadika miovaova tampoka tsy misy fotony ny olona rehetra. Hatramin’ ny halalin’ ny fontsika dia misy fihetsehana ( sentiments ) sy fisainana (impulsions ) ary faniriana mipoitra ( na miboiboika ) mandrakariva, ka tsy misy mahay ny tsy miovaova.
Fa amin’ Andriamanitra kosa dia tsy misy fiovaovana na aloka avy amin’ ny fihodinana. Tsy hita ao amin’ Andriamanitra mihitsy ilay fiovana tsy misy fotony. Tsy mivadibadika Izy. Tsy misy fihetseham-baovao miseho am-pony. Tsy mifandimby ao ny faharerahana sy ny fahatanjahana, na ny fankahalana sy ny fitiavana. Mafy orina sy mahatoky mandrakariva Izy. Tsy misy tokony hisalasalanao ny Toetrany, fa azonao hitokiana mandrakariva.
Na dia amin’ ny andro anafenan’ Andriamanitra ny tavany aminao aza; ka ahatsiarovanao fa eo ambanin’ ny fitsarany hianao sady inoanao fa tofoka anao sy ny fahotanao Izy, eny, na dia tsaroavanao ho voaroaka aza hianao, dia aoka ho fantatrao ihany fa : mahatoky sady tsy miova Andriamanitra. Na dia miovaova aza ny sainao, ny Azy dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Miverena hanatona Azy hianao, fa Izy dia Izy ihany anie no hany vatolampy tsy mihozongozona hiankinan’ ny ainao.